Mitondra soa ho an’ny olona sy ny zava-boahary ny alavadimbolin-davanila

Vondrona mpikaroka avy amin’ny sehatra samy hafa no nampivoitra ireo fanararaotra mba hisian’ny fampiasana tany maharitra kokoa eto Madagasikara.

Avy eto Madagasikara no mamatsy ny antsasaky ny vokatra lavanila voa-janahary erak’izao tontolo izao – ilay hanitra manamarika ny gilasy sy ny tsindrin-tsakafo. Any amin’ny faritra avaratra-atsinanan’ny nosy, mpamboly madinika no mamboly io orkidea lavanila io. Nandritry ny dimy taona lasa, dia nisy vondrona mpikaroka Malagasy sy Alemana nandalina mikasika ny voly lavanila sy ny vokany eo amin’ny olombelona sy ny zava-boahary. Voaporofo tamin’izany fa ny voly lavanila anaty alavadimboly, izay itsirian’ny lavanila ambany hazo mpanalokaloka, dia misy voka-tsoa ho an’ny olombelona sy ny zava-boahary, raha oharina amin’ny karazana fampiasana tany hafa. Tsy manjary anefa izany raha tsy amin’ny tany lava volo efa tsy misy hazo ny lavanila no nambolena. Ireo valim-pikarohana ireo dia azo avy amin’ny fandravonana ny fandalinan’ny tetikasa « Diversity Turn in Land Use Science », izay vao nivoaka tao amin’ilay gazetiboky malaza PNAS (Proceedings of the National Academy of Sciences).

Ny vondron’ny mpikaroka dia nanangona tahirin-kevitra momba ny zavaboahary, tombontsoa azo avy amin’ny tontolo iainana toy ny fanangonana karbona, ny vokatra sy tombony ho an’ny karazana fampiasana tany misy. Tamin’izany dia nifantoka kokoa tamin’ny alavadimboly’ny lavanila ny mpikaroka. Anisan’ireo fampiasana tany, ny lavanila dia ambolena mivantana ao anaty ala : esorin’ny mpamboly ny kirihitra sy ny hazo mitokatokana, ka ambolena eo ambanin’ireo hazo tavela ny lavanila. Anisan’ny fampiasana tany hafa kosa, ny alavadimbolin-davanila eo amin’ny tany lava volo, izay amin’ny ankapobeny anaovana tavy ambolena vary. Tsy nionona fotsiny tamin’ny fampitahana ny karazana fampiasana tany ireo mpikaroka, fa anisan’ny natao fandalinana indrindra ny tantaran’ilay tany – izany hoe ny fampiasana azy tany aloha. Io fikarohana io dia nahafahana nandalina ny vokatra tsara sy ratsin’ny fiovan’ny fampiasana ny tany avy amin’ny fomba fijery feno.

 

Ny fambolena lavanila eo amina tany lava volo tsy misy hazo dia mitondra voka-tsoa ho an’ny olombelona sy ny zava-boahary. Ny famadihana ny ala ho lasa alavadimbolin-davanila kosa anefa dia miteraka voka-dratsy ho an’ny biby sy ny zava-maniry, satria maro ireo anjara asa manan-danjan’ny ala very noho izany. Izany hoe, ny famadihana ny ala iray ho alavadimboly izany dia mba hisorohana ny fandoroana ala fotsiny ihany, izay tena mampijaly kokoa ny zava-boahary sy ny tombontsoa azo avy amin’ny tontolo iainana.

Dr Fanilo Andrianisaina, mpikaroka eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo dia manamafy ny tombony avy amin’ny fambolena lavanila ho an’ny mpamboly: “Raha ny vidin’ny lavanila nandritry ny fotoana nanaovana fikarohana, dia tena ahazoana tombony ny lavanila”, ary ampiany hoe: “marina fa ny ampaham-bola dia mankany amin’ireo mpanera sy ny mpanondrana, saingy ny mpamboly manana lavanila mamokatra tsara, dia afaka mahazo trano vaovao, herinaratra avy amin’ny masoandro, …, izay tsy azo an-tsaina mihitsy izany raha taloha”. Na izany aza anefa, dia nitotongana ny vidin’ny lavanila nandritr’izay roa taona lasa izay, ary nampihena ny tombontsoan’ireo mpamboly.

Tsara ho marihina ihany koa ny lanjan’ny voka-pikarohana ho amin’ny ho avy, sy amin’ny tontolo iainana hafa. “Zava-dehibe ho amin’ny fijery lavitra ny fisian’ny vidin’ny lavanila marina sy tsy miovaova”, hoy Dr Dominic Martin, ny mpitarika voalohany ity fikarohana ity. “Ny fiakarana sy fidinan’ny vidin’ny lavanila matetika dia manakana ireo mpamboly hifantoka tanteraka amin’ny fambolena maharitra ny lavanila – satria tsotra izao dia tena ambony loatra ny risika hiankinan-doha tanteraka amin’ny voly amidy”, hoy ihany izy.

Mikasika ny fanitarana ny voka-pikarohana amin’ny tontolo iainana hafa, dia hoy Prof Holger Kreft, izay nandrindra ny fikarohana hoe: “Ny fijerena ny fampiasana ny tany tany aloha mandritry ny fikarohana ny fiantraikan’ny fambolena dia tena zava-dehibe ihany koa amin’ny sehtra hafa. Izany dia manamafy hatrany ny lanja ankapoben’ny voka-pikarohana ».

 

Lahatsoratra fototra: Martin, D. A., Andrianisaina, F., Fulgence, T. R., Osen, K., Rakotomalala, A. A. N. A., Raveloaritiana, E., Soazafy, M. R., Wurz, A., Andriafanomezantsoa, R., Andriamaniraka, H., Andrianarimisa, A., Barkmann, J., Dröge, S., Grass, I., Guerrero-Ramirez, N., Hänke, H., Hölscher, D., Ranarijaona, H. L. T., Rakouth, B., Randriamanantena, R., Ratsoavina, F. M., Ravaomanarivo Raveloson, L. H., Schwab, D., Tscharntke, T., Zemp, D. C., & Kreft, H. (2022). Land-use trajectories for sustainable land system transformations: identifying leverage points in a global biodiversity hotspot. Proceedings of the National Academy of Sciences. https://doi.org/10.1073/pnas.2107747119.

Fifandraisana :
Dr. Fanilo Andrianisaina

Oniversiten’Antananarivo

Ecole Supérieure des Sciences Agronomiques

Finday: +261 34 67 113 98

Mailaka: andrianisainafanilo@gmail.com

Prof. Lala Ravaomanarivo

Oniversiten’Antananarivo

Faculté des Sciences

Direction de la Recherche Doctorale

Mailaka: lravaomanarivo@gmail.com